Notanterahina ny sabotsy teo ny fandraisan-tanana ny filohan’ny Synodam-paritanin’Antananarivo Andrefana (SPAA10) eo anivon’ny FJKM, Razafindrakoto Andriambalohery Hasinarivo. Nifanotronan’ireo fiangonana manodidina ny 300 aty amin’ny SPAA 10 izany. Nametraka ny vinany 12 izy, mifantoka amin’ny fampiroboroboana ny finoana kristianina.
Lavapiringa moderina miisa 290 no hapetraka eto Antananarivo. Fiaraha-miasa amin’ny orinasa Loowat no ahafahana manatanteraka izany. Hafarana avy any Philippine ireo fitaovana handrafetana izany toeram-pivoahana izany. Tafiditra ao anatin’ny fandrindrana ny fahadiovana sy ny fidiovana eto an-dRenivohitra ny tetikasa.
Isaky ny talata sy alakamisy ary sabotsy no miainga etsy amin’ny fasan’ny karana, mihazo ny faritra Atsimo sy Atsimo Atsinanana, ireo karandalana avy eto Antananarivo. Nentanina hanatsara ny seza ao anatin’ireny fiara ireny ny tompona fiara. Nampahatsiahivina ny fepetra rehetra sy ny fanarahan-dalàna ihany koa ireo mpitatitra.
Manoloana ny fahasarotan’ny rano dia ampisaina avokoa na dia rano tsy azo antoka aza. Mila mitandrina tsara anefa ho an’ny rano sotroina mba tsy hitera-doza ho an’ny fahasalamana. Na ny rano ao anatin’ireny vovo ireny aza mila ampangotrahina tsara hamono ny mikraoba vao sotroina mba tsy hiteraka aretina.