Fitantanana diosezy : hametraka ny evekan’Ambanja ny Mgr Tomasz Grysa

Anisan’ny miandry avy hatrany ny “Nonce apostolique” vaovao, ny Mgr To­masz Grysa ny fametrahana ny mompera Randriamalala Dona­tien Francis ho evekan’ Amban­ja. Hatao ny 15 ja­noary ho avy izao izany. Efa nigadona, afakomaly, eto Madagasikara, ity solontenan’i Vatikana eto amintsika ity. Mbola hihaona amin’ireo mpitondra fanjakana, tahaka ny fanaon’ireo masoivoho vaovao ny tenany mialoha io fotoana any Ambanja io.
Tsiahivina fa efa nisahana andraikitra maro ny “Non­ce apostolique”. Ani­san’izany ny nisahanany ny « Délégation apostolique » tao Jerosalema sy Pa­lestine, nanomboka ny taona 2019 ka hatramin’izao na­nen­drena azy hiasa eto amintsika izao.
Mahafehy tenim-pirenena maromaro : Frantsay; Angli­sy; Italianina; Ro­sia­ni­na; Espanola sy Porti­gey ny Mgr Tomasz Grysa.

Synèse R.

Partager sur: