“Ny fambolen-kazo ataontsika hatramin’izay, toy ny hoe fisehosehoana fotsiny. Ny hazo maty no betsaka indrindra noho ny hazo velona. Manolo-kevitra izahay hoe: aoka izay ny fisehosehoana sy ny fizahozahoana”, hoy ny filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert.
Aoka mba ho fambolen-kazona tompon’andraikitra no atao. Homena andraikitra ny firaisamonina ifotony manao ny fambolen-kazo, fa ny fanaraha-maso no anjaran’ny fitondram-panjakana. Manao fepetra fanentanana sy fampirisihana amin’izay fambolen-kazo izay koa ny fitondram-panjakana: mikarakara fifaninanana, ohatra, firaisamonina ifotony na fokontany amin’izay mahavoly hazo sy mahavelona hazo be indrindra. “Izay no tokony hatao”, hoy izy.
R. Nd.