INDRAY MIJERY

Antsirabe indray no mandray ny fampirantiana sary 30 manome sehatra ireo olona mpanao vaksiny, indrindra any amin’ny toerana lavitra sy saro-dalana. « Azo atao ny manao vaksiny ny rehetra» ny lohahevitry ny fampirantiana iarahana amin’ny Unicef sy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Hatramin’ny volana septambra lasa teo, nihena ny tahan’ny tsy fahavitan’ny zaza ireo vaksiny mahazatra ho an’ny faritra Vakinankaratra.
Misy ny hetsika karakarain’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika (Mesupres) any Mahajanga, nanomboka omaly hatramin’ny 11 desambra 2024 izao. Tanjona ny hamolavola tondrozotra hanavaozana ny rafitra “accreditation” ho an’ireo sekoly mampiofana ireo olona misehatra amin’ny fitsaboana. Mahatratra 118 ireo toeram-pampianarana ambony tsy miankina amin’ny sehatry ny paramédicaux eto Madagasikara. 33 amin’ireo ihany no manana mari-pankasitrahana araka ny tokony ho izy. Anisan’ny sakana lehibe hita ny tsy fahampian’ny fahatsiarovan-tena amin’ny lahatsoratra mifehy sy ny fomba fitantanana saro-pady, anton’izany.
Taom-pianarana 2025 eny amin’ny Oniversitem-panjakana. Hanomboka ny 13 janoary 2025 izao ny taom-pianarana manerana ny Nosy. Mbola manana hatramin’ny 31 janoary 2025 ny mpianatra hanao ny fisoratana anarana, raha ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika (Mesupres).

Partager sur: