Nanomboka, omaly, any Afrika Atsimo, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja kick boxing. Tsy diso anjara amin’izany i Madagasikara fa manana solontena hiaro ny voninahi-pirenena. Malagasy mpikatroka 13 mianadahy no nihazo an’i Afrika Atsimo, ny faran’ny herinandro, izay ahitana lehilahy 11 sy vehivavy 2. Sokajy Cadets, Junios ary Seniors no hifaninanan’izy ireo. Nambaran’ny Tale teknika nasionaly, eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny kick boxing, fa efa ela no nanomana ireto atleta ireto. Efa niatrika fampivondronana niaraka, amam-bolana, izy ireo vantany vao fantatra fa hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika i Madagasikara. Tsara ny manamarika fa efa nankatoavina teo anivon’ny filankevitry ny minisitra, ny herinandro lasa teo, ny fanekena ny fiantohan’ny fitondram-panjakana ny fandehanan’ny delegasiona malagasy hiatrika ity fifaninanana ity. Etsy ankilany, vonona ny hiady ary hitondra medaly mody ireo Malagasy mpikatroka izay azo lazaina ho sangany eto Madagasikara, eo amin’ny taranja kick boxing.
Araka ny fandaharam-potoana, hiakatra ringa anio ny solontena malagasy ary hitohy hatramin’ny 12 desambra izao ny fifaninanana.
Mi.Raz