Fanondranana jirofo : mitana ny lohalaharana i Madagasikara

Misahana ny 27%-n’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny fanondranana ny vokatra jirofo i Madagasikara, araka ny tatitry ny «Economic Development Board of Ma­dagascar» na ny (EDBM). Io tarehimarika io izay mametraka azy ho lohalarana amin’ireo firenena maneran-tany amin’ity seha-pihariana ity. Ho an’ny taona 2022, nampiditra hatramin’ny 224,7 tapitrisa dolara io vokatra io. Hatreto, mananika ny 18 000 ireo mpisehatra amin’ny jirofo eto an-toerana. 70 000 Ha kosa ny velaran-tany volen’ny mpamokatra azy ka ao amin’ny faritra Ana­lanjirofo ny 90 %-n’izany. Ireo firenena toa an’i Inde, Indonesia sy Singapour no anisan’ny mpandray ireo vokatra avy eto an-toerana ireo. Natsidiky ny EDBM fa anisan’ny ampiasain’ny indostria mpamokatra fanafody ihany koa ny jirofo.

Tsiferana R.

Partager sur: