Manambana mivantana ny tapany avaratry ny Nosy ity rivodoza Chido ity rahampitso amin’ny tanjaka cyclone tropical. Hahatratra 8 metatra ny haavon’ny onja.
Omaly tamin’ny 3 ora tolakandro, tany amin’ ny 940 km atsinanana somary avaratra atsinanan’i Antsiranana I no nisy ny foiben’ iilay rivodoza Chido. Niakatra ho 155 km isan’ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra 220 km isan’ora manakaiky ny foibeny. Nikisaka niakandrefana izy ka nahafaka 15 km isan’ora, araka ny filazana manokana momba ny rivodoza omaly hariva navoakan’ny foibe famantarana ny toetry ny andro.
Tombanana hitombo hery hatrany i Chido ka mety ho lasa rivodoza mahery vaika alina na anio. Tsy misy fiovana ny filazana loza ka loza manambana ho an’ny faritra Diana sy ny distrikan’i Vohemar. Fanairana ho an’ny distrikan’i Bealanana, Befandriana Avaratra, Antsohihy, Boriziny, Analalava, Sambava, Antalaha ary Andapa.
Hanomboka hikorontana miandalana ny toetry ny andro any amin’ny tapany Avaratra manomboka androany alina. Ahiana ny tondra-drano sy ny fihotsahan’ny tany amin’ireo toerana marefo any amin’ny faritra Diana sy Sava noho ny rotsakorana betsaka hiaraka amin’ny Chido.
8 metatra ny haavon’ny onjan-dranomasina
Tombanana hahatratra 8 metatra ny hahavon’ny onja amin’ny morontsiraky Vohemar sy Antsiranana I-II, ka hiteraka fiakaran’ny ranomasina amin’ ireo toerana mora tondraka.
Iangaviana ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’ny Analalava sy Cap d’Ambre, ary Cap d’Ambre sy Ste Marie tsy hiandriaka intsony manomboka anio tolakandro. Entanina ny rehetra hanaraka ny toromarika omen’ny manam-pahefana isan-tokony.
Momba ny toetry ny andro anio tolakandro, hanorana tandrifin-drahona any Diana, ny tapany avaratr’i Sofia, Melaky, Menabe ary ny atin-tanin’i Atsimo Andrefana. Hanorana malefaka any Sava, Ambatosoa Analanjirofo ary Toamasina. Handrahona mitsitokotoko any an-kafa.
Vonjy




