Mandravarava ny Malagasy mpikatroka, taranja kick boxing, any Afrika Atsimo, ao anatin’ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, nanomboka omaly. Medaly volamena 3 sy volafotsy iray sahady no azon’i Madagasikara.
Tsara fanombohana ny solontena malagasy nandritra ny andro voalohan’ ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, kick boxing, omaly, izay hatao any Afrika Atsimo. Medaly volamena 3 sy volafotsy 1 avy hatrany no noraofin’ny malagasy. Razafindramanitra Audrey Ny Oliva, sokajy -46 kg, vehivavy, teo amin’ny OC Light contact sy Kick Light no nisantatra ny fandresena ka nandrombaka medaly volamena roa be izao teo amin’ ireo taranja roa ireo. Niakatra an-tsehatra omaly ihany koa, Brown Manirisoa Gouar ary nandrombaka medaly volamena iray sy volafotsy iray, teo amin’ny OC light contact sy Kick light, -37 kg lehilahy. Tsiahivina fa avy hatrany dia nifaninana teo amin’ny manasa-dalana ireto solontena
malagasy, taorian’ny antsapaka natao, ka ady roa izany no natrehan’ny tsirairay izay nahazoana izao vokatra tena tsara izao. Araka ny fandaharam-potoana, mbola hisy Malagasy mpikatroka 9 mianadahy hiatrika famaranana ho amin’ny anio, izay antenaina fa efa misy medaly ho azon’izy ireo indray izany anio. Tsiahivina, 13 mianadahy no misolotena an’i Madagasikara, amin’ izao fiadiana ny tompondakan’i Afrika izao, izay hifarana anio 12 desambra.
Mi.Raz




