Rivodoza Chido : Tsy hahakasika mivantana an’Antsiranana I

Manohy ny diany mianandrefana amin’ny hafainganam-pandeha 20 km isan’ora ilay rivodoza mahery vaika Chido, araka ny filazana manokana momba ny rivodoza. Omaly tamin’ny 3 ora tolakandro, tany amin’ny 488 km atsinanana somary avaratra atsinanan’i Antsiranana I no nisy ny foibeny. 210 km isan’ ora ny rivotra miaraka aminy, izay arahina tafiotra 295 km isan’ora manakaiky ny foibeny. Tombanana handalo any amin’ny manodidina ny 70 km avaratry ny tanjona Bobaom­by izy, anio tolakandro na ny takariva, amin’izao sokajy misy azy izao. Marihina, hoy ny teknisianina momba ny famantarana ny toetry ny andro, fa kely ny velaran’ity rivodoza ity ka tsy ahina loatra ny hikasihany mivantana an’Antsiranana I.
Miova ny filazana, loza manambana ho an’ny faritra Diana sy ny distrikan’i Vo­hemar. Filazana fanairana ho an’ny distrikan’i Bealanana, Antsohihy, Analalava, Sam­bava ary Andapa. Foana ny filazana loza ho an’ny distri­kan’Antalaha, Befandriana Avaratra ary Boriziny.
Nanomboka nikasika ny faritra avaratra ny rahona mialoha azy halina. Ankoatra ny distrikan’Antsiranana I-II izay mety ho voakasiky ny rindrin-drahona hiaraka amin’ny rivodoza, tsy ahina ny habetsahan’ny rotsakorana amin’ny faritra hafa. Tombanana ho efatra ka hatramin’ny valo metatra ny haavon’ny onja amin’ny morontsiraka avaratra atsinanana sy avaratra andrefana mandritra ny fandalovany. Mety hiteraka fiakaran’ny ranomasina amin’ireo toerana mora tondraka izany.
Tsy tokony hiandriaka in­tsony nanomboka omaly ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’i Mahajanga sy Cap d’Ambre ary Cap d’Am­bre sy Cap Est.

Vonjy

Partager sur: