WMG : Nizara « Colis de Noël » ho an’ny ankizy

Nisitraka fanomezana krismasy avy amin’ny Wednesday Morning Group (WMG) ireo mpianatra eo anivon’ny EPP Andranovelona, Ambohitrinin­dri­ana ary Fieferana Ambohi­miarina Andrefana, ao anatin’
ny kaominina Ilafy, omaly. Nahitana fanomezana zavatra maro anaty fonosana ny tolotra, antsoina hoe “Colis de Noël”. Niampy fizarana mofo mamy avy amin’ny WMG ihany koa izany. «Tanjona na­naovana ny hetsika ny hamalifaliana ny ankizy amin’izao fotoana ankatoky ny Noely izao», hoy ny filohan’ny fikambanana WMG, i Fiona Tsi­ra­na­na, tany an-toerana. Nise­hatra tamin’ny EPP teto an-dRenivohitra foana ny fikambanana hatramin’izay. Mive­latra tsikelikely amin’ny sekoly ambaratonga voalo­hany any ambanivohitra izy amin’izao.
Fikambanam-behivavy manao asa soa ny WMG. Mi­sehatra amin’ny fikarakarana sy fanampiana ny vehivavy hanana ny maha izy azy amin’ny alalan’ny famoronana asa. Eo koa ny fanomezana fanabeazana ireo ankizy eny amin’ny ambaratonga voalohany amin’ny alalan’ny fanabeazana amin’ny lafiny ara-pahasalamana. Hisitraka ny fizarana toy ity natao ity ihany koa ny EPP any Fianarantsoa sy Sambava, amin’ny 19 de­sambra izao, raha ny fanazavana voaray hatrany.

Mino

Partager sur: