RIVODOZA Chido: Manalavitra ny morontsirak’ i Madagasikara

Tamin’ny 5 ora sy sasany, omaly hariva, tany amin’ ny 135 km avaratra atsinanan’Antsiranana no nisy ny foiben’ilay rivodoza mahery vaika Chido. Niakatra ho 185 km isan’ora indray ny rivotra miaraka aminy, izay arahina tafiotra 260 km isan’ora manakaiky ny foibeny.

Mizotra mianandrefana somary atsimo andrefana izy amin’ny hafainganam-pandeha 23 km isan’ora. Manohy ny diany ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika. Manalavitra ny morontsiraka.
Nandalo tany amin’ny 62 km avaratry ny Cap d’Ambre i Chido, omaly tolakandro. Hanohy ny diany ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika izy ary tombanana hipaka any Mozambika rahampitso. Vinavinaina hitoetra ny oram-baratra any amin’ny faritra Sava sy Diana hatramin’ny anio maraina, izay mifandray amin’ny rambon’i Chido. Noho izany, tsy misy fiovana ny filazana loza mitatao miloko mena ho an’ny faritra Diana sy ny distrikan’i Vohemar. Loza manambana miloko mavo ho an’ny distrikan’i Bealanana, Antsohihy, Analalava, Sambava ary Andapa. Ho ratsy hatrany ny andro any an-dranomasina, ka ho 4 ka hatramin’ny 8 metatra ny haavon’ny onja amin’ny morontsiraka avaratra atsinanana sy avaratra andrefana mandritra ny fandalovan’ity rivodoza ity. Nanomboka omaly ka hatramin’ny anio vao maraina, ny eo anelanelan’ny tanjona Angotsy sy ny tanjona Bobaomby. Omaly ka hatramin’ny anio alina kosa, ny eo anelanelan’ny tanjona Bobaomby sy ny tanjona Vilanandro. Mety hiteraka fiakaran’ny ranomasina amin’ ireo toerana mora tondraka izany.
Tokony tsy hiandriaka intsony mandra-pahalasan’ny loza tanteraka ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’ ny Cap St André sy Cap d’Ambre, ary Cap d’Ambre sy Cap Est.
Fampitandremana miloko mena eo anelanelan’ny tanjona Angotsy sy ny tanjona Bobaomby ary ny tanjona Bobaomby sy Mahajanga. Fampitandremana miloko mavo: manomboka eo Mahajanga hatrany amin’ny tanjona Vilanandro.

Tsy nisy ny rano miakatra
Mijanona ny orana ary tony ny rivotra any Vohémar sy Ambilobe, omaly hariva, araka ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny BNGRC. Hatramin’ny omaly, tsy mbola nisy ny zavatra simba sy ny rano miakatra any an-toerana. Mila mailo hatrany raha tsy mivadika ho loko manga ny filazana. Mbola ao anatin’ny miloko mena ny ampahany maro amin’ny faritra avaratra ka tsy afaka amin’ny loza ny firenena.

Vonjy

Partager sur: