Raha ny vokatra vonjimaika ao amin’ny kaominina Ivato dia mandresy indray ny kandidà Randrianarisoa Penjy, laharana faharoa tamin’ny biletà tokana. Mitarika amin’ny isam-bato 36,28% ny tenany. 782 kosa ny elanelam-batony amin’ny kandidà manaraka izay manana ny salanisa 27,71%.
Naharesy lahatra ny olona nifidy an-dRandrianarisoa Penjy ny asa vitany sy ny fisokafany tamin’ny fiaraha-miasa amin’ireo mpitondra rehetra nifandimby mba ho tombontsoan’ny mponin’Ivato sy ny tanàna.
Hentitra izy ireo amin’ny fiarovana ny safidiny ka manao andrimaso ny voka-pifidianana sao sanatria misy manodinkodina na manova.
Efa manomana sahady ny vina sy tetikasa rehetra hampamirapiratra ny tanànan’ Ivato ny ben’ny Tanàna Randrianarisoa Penjy sy ny ekipany. Anisan’izany ny fiomanana amin’ny fandraisana ny fivoriana iraisam-pirenena samihafa amin’io taona 2025 io sy ny fotodrafitrasa Lac Iarivo iarahana amin’ny tetikasan’ny filoham-pirenena.
Tatiana A