Nifarana omaly ny fankalazana ny fanamarihana ny jobily faha-40 taonan’ny Tobim-pitsaboana loteranina Ambohibao (TPLA).
Notokanana tetsy amin’ny TPLA Ambohibao ny fotodrafitrasa izay nasiam-panavaozana, natao ho tsangam-baton’ny faha-40 taona, toy ny trano fitarafana sy ny trano fiterahana ary ny fahatongavan’ny radio niomerika. Tsangambato faharoa ny fananganana ny toeram-pivavahana ao amin’ ny hopitaly.
Nanazava ny talen’ny TPLA, Ranarivony Prosper, fa niainga tamina tobim-pahasalamana tsotra ny fitsaboana teny an-toerana. Niha nivelatra izany ary nitombo ka lasa hopitaly manana sampam-pitsaboana maromaro amin’izao fotoana. Tanjona ny hahatonga azy ho hopitaly goavana afaka mitsabo ny karazan’ aretina rehetra, araka ny fanazavana.
Hitondra fiovana lehibe eo amin’ny sehatry ny fitsaboana ny fahatongavan’ny radio niomerika ao amin’ny TPLA. Hahafahana mahazo sary mazava kokoa amin’ny fitarafana toy ny taolana tapaka, vetivety dia mivoaka ny vokatry ny fitarafana ary afaka manao fizahana manokana ihany koa io fitaovana io toy ny fistule, ny tranon-jaza…
Mampiavaka ity tobim-pitsaboana ity koa ny fandidiana prostate izay tsy voatery sokafana ny kibon’ny marary fa amin’ny alalan’ny écran no hanaovana ny fandidiana.
Manala amin’ny gejan’ny zava-mahadomelina
Anisan’ny tena hahafantaran’ny olona ny LTPA ny fitsaboana ireo olona miankindoha amin’ny zava-mahadomelina. Manao ny fitsaboana rehetra amin’ny lafiny ara-medikaly sy fiarahamonina ary ara-panahy ny hopitaly. Simba amin’ny lafiny rehetra ny olona mpidoroka.
Misy dingana telo ny fitsaboana dia ny fampisarahana manodidina ny 10 andro eo. 21 andro ny fanarenana ary mandritra ny 2 taona ny fanaraha-maso tsy maintsy hatao. Olona 8 isaky ny 3 herinandro no tsaboina ao.
Ny miankindoha amin’ny rongony sy ny sigara ary toaka no betsaka fa eo koa ny zava-mahadomelina moderina toy ny rôrô, izay mirongatra amin’izao fotoana. Misy hatramin’ny 12 taona ny ankizy voagejan’ny zava-mahadomelina tsaboina ao amin’ny TPLA. Misy mbola mpianatra, ao ireo efa miasa ary ao koa ireo tsy an’asa mihitsy. Na lahy na vavy, na lehibe na kely, na manambady na tsia, voakasik’izany avokoa. Manodidina ny 40 taona eo ny salan-taonan’izy ireo.
Tatiana A