Oniversiten’Ankatso : Mpianatra 240 navoaka tamin’ ny fomba ofisialy

Navoaka tamin’ny fomba ofisialy sy notolorana ny mari-pahaizana « Master2 » teny anivon’ny fakiolten’ny Siansa, Oniversiten’Ankatso afakomaly ireo mpianatra. Manodidina ny 240 teo ho eo izy ireo, izay nanaraka ny lalam-piofanana Physique-Chimie, Science naturelle ary Mathématiques. Fanamby goavana ataon’izy ireo ny fanomanana ny «doctorat ». « Mbola voalohany ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy tahaka izao, fifaliana ho antsika izany satria hiasa ho an’ny tanindrazana ireo mpianatra ireo”, hoy ny profesora Ratsimbazafy Jonah, teny an-toerana. Nambarany fa tsy manao fianianana tahaka ny fakiolten’ny Mpitsabo ny fakiolten’ny Siansa fa manomana kosa olona mendrika sy hamaly ny filan’ny firenena. “Zava-dehibe ny siansa satria kitro ifaharan’ny fampandrosoana raha hay ny mampiasa azy”, hoy ny Pr Rakotoma­nana Hajanirina, tomponandraikitry ny asa fikarohana eo anivon’ny Siansa. Nambarany fa mbola tsy ampy ny siantifika eto an-toerana, fa afaka manampy amin’ny fampandrosoana ny firenena ireo andiany nivoaka ireo.

Ankoatra izay, ampirisihina hatrany ireo ankizy hiara-hiasa sy hianatra teny vahiny ary hamorona asa fa tsy hiandry asa ho tonga eo aminy. Entanina koa hanohy fianarana raha mbola afaka mba hanam-pahaizana.

Mino

Partager sur: