Ho famaranana ny taom-pikatrohana 2024, taranja karate-do, hisy ny fifaninanana “Challenge du Sud-Est”, hatao ny 18, 19, 20 ary 21 desambra izao. Ny ligin’i Fitovinany no mikarakara ny fifaninanana izay hotontosaina any Manakara. Tsy misy ho diso anjara ny sokajy rehetra satria manomboka any amin’ny Pupilles hatrany amin’ny Super-Vétérans dia afaka mifaninana avokoa, eo amin’ny kata sy kumite, lahy sy vavy. Tsiahivina fa anisan’ny efa tafiditra ao anatin’ireo ligy nikarakara ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara farany teo, natao tany Toliara, ny ligin’ny karaté-do Fitovinany. Ho matihanina tanteraka, araka izany, ity fifaninanana “Challenge du Sud-Est” vao sambany hisy ho an’ny fifaninanana eo anivon’ny federasion ny Karate-do Malagasy, ity.
Ny “Challenge de Boeny” sy ny “Challenge de Betsileo” no efa nisy hatramin’izay ary izao mikarakara ny azy izao ny amin’ ny faritra Atsimo Atsinanana, izay mampiseho fa ilaina ny fahaizan’ny ligy mikarakara fifaninanana, ho fampiroboroboana ny taranja karate, araka ny ambetitenin’ny filohan’ny FKM.
Mi.Raz