Daka an-jorony: Aza tia vao lava toy ny daomy

Ny mpilalao daomy dia manana paikady fa ny famoahana vato vao eny am-pelantanan’ny mpifanandrina no ahafahana mamono azy. Mifanohitra amin’izany kosa nefa ny eo amin’ny fanatanjahantena. Tsy ahitam-bokatra ny fiovaovana matetika. Ekena fa ny ekipa tsy mamokatra mila ovaina saingy aza tia vao lava toy ny daomy. Amin’izao fotoana, mitaintaina toy ny sahobakaka ambodiriana ny baolina kitra malagasy eo am-piandrasana izay ho mpanazatra hitondra ny Barea de Madagascar. Aza tia vao lava toy ny daomy sao ho kenda izay vao domy aho ranaotra.

Manahy be ihany ny maro fa sao ho toy ny farihy an-tampon-kavoana ka safononoka vao maraina fa miseho fasika hariva. Ny angidina mantsy no mpiriorio lava fa any an-kady no hiafarany. Toa lasa matimatim-bahiny tsy fanta-piaviana mantsy ity taranja ankafizin’ny Malagasy fatratra ity ankehitriny. Aza tia vao lava toy ny daomy ê!

Mahatsiaro fa toa misy ireo manao sakaizan’ny mpandresy dia ireo tsy mitaingina soavaly maty ary tsy miaraka amin’ny tsy afaka. Tia vao lava toy ny daomy. Sao lahy, hanao ranon’i Mananjary ka tondraka misasakalina fa ritra maneno akoho. Toy ny hazakazaka amoron-tevana sy dingan-dava am-pandrotrarana mantsy izy ity ka tsy menatra izay hamingana. Aza tia vao toy ny daomy fa rano mitety vato ny fiainana ka tsy mponina fa mpandalo ihany. Mahalasa saina lalina ny fahitana ireto vahiny mihazakazaka hiady hitondra ny Barea. Ny ampitso no hamaly izany. Harefo an-keniheny, mita an-tanety, aleo mareforefo mahatafita ny onjam-piainana toy izay henjana mitolefika eo anatrehan’ny ady sarotra koa aza tia vao lava toy ny daomy.

Tompondaka

Partager sur: