Baolina kitra-Ocean Indian U15 : Tsy mifanintsana i Nosy Maurice

Hanomboka anio, eny amin’ ny Kianja Elgeco Plus By-pass, ny fifaninanana iraisam-pirenena aty amin’ny ranomasimbe Indianina, sokajy zandriny U15, lahy sy vavy, “Fifa Ocean Indian Tournament.” Nihena ho telo sisa ireo firenena hifanintsana amin’ity andiany voalohany ity, rehefa tsy afaka tam­poka i Maurice. Araka izany, i Madagasikara, mpampian­trano sy i Comores ary i Sey­chelles no sisa handray anjara. Ankoatra izay, hanomboka amin’ny 11 ora atoandro ny lanonam-panokafana ity fifanintsanana ity, eny By-pass. Aorian’izay, hanokatra ny lalao, eny an-toerana, ny fifanandrinan’ny ekipa nasionaly malagasy, Barea zandriny, sy i Seychelles, ho an’ny lehilahy. Manaraka izany, ny fifanandrinan’ny Malagasy vehivavy sy ny andriambavilanitry ry zareo seyseloa. Tsiahivina fa efa ho 20 andro mahery teo izay ny nanombohan’ny fampivondronana ho an’ny Barea zandriny, lehilahy sy vehivavy. Marihina fa hifandimby hihaona ireo ekipa nasionaly hifanintsana ireo, izay be isa indrindra no ho tafavoaka tompondaka. Tsiahivina fa fifanintsanana nankatoavin’ny Fifa ary hotohanany ity lalao tontosaina eto Madagasikara ity. Hifarana ny 22 desambra ho avy izao moa ny fifaninanana.

Fitia Randria

Partager sur: