Ao anatin’ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny Ivontoerana nasionaly mampianatra ny teny anglisy (Cnela), nisy ny fizarana mari-pahaizana teny amin’ny Espace Rose By-pass, ny herinandro lasa teo. Mpianatra 155 nahavita fianarana ny taona 2024 no notolorana izany. Ivontoeram-pampianarana eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny Cnela. Ahitana mpianatra 1 000 isaky ny telo volana ho an’Antananarivo ary 200 ho an’i Toamasina sy Soavinandriana. Miisa 60 ny mpampianatra ao amin’ity ivontoeram-pampianarana ity, izay tarihin’ny tale ankehitriny, Dr Rakoto-niera Zoly.
Nisolo tena ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny talen’ny serasera, Dr Ravolatsara. Nohamafisiny fa zava-dehibe ny teny anglisy ary ilaina amin’ny fifandraisana amin’ny sehatra maro. Fitaovana lehibe koa amin’ny fanatsarana ny fampianarana ambony sy ny fanomezana fampianarana tsara kalitao, araka ny tanjon’ny minisitera, mifanaraka amin’ny Politika ankapoben’ny fanjakana.
Hanokatra ny rantsana fahatelo ao Barikadimy Toamasina ny Cnela.
Vonjy