INDRAY MIJERY

Ho fitandroana ny fandriampahalemana ao amin’ny faritra Menabe, ho fanomezana fahazai-manao ireo Tanora Aron’ny Vahoaka (TAV) miisa 3 173 sy ny vahoakan’i Mahabo miisa 2 679, natomboka ny faran’ny herinandro, tao amin’ny distrikan’i Mahabo, ny fampiofanana. Hiarahan’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa sy ny zandarimariam-pirenena ao an-toerana manatanteraka. Fanofanana mifototra amin’ny filan’ny tsirairay avy no natolotra.
Anisan’ny ady atao ny famerenana ireo Tanora Aron’ny Vahoaka (TAV) ao anatin’ny fiarahamonina indray. Hahafahana mampihatra ny fanofanana, nanolotra angady miisa arivo sy zezika 2,5 t ny minisitera mpiahy, avy amin’ny fiaraha-miasa amin’ny orinasa Colas sy ny sekreteram-panjakana eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika miadidy ny Fahaleovantena ara-tsakafo.
Notanterahina tao Toamasina, ny faran’ny herinandro teo, ny fivoriana nanaovana tombana ny fanadinana Bakalorea, taona 2024. Fivoriana fanao isan-taona mampivondrona ireo mpandray anjara voakasika amin’ny fikarakarana sy ny fanatontosana io fanadinam-panjakana io. Nanome toromarika ny minisitra ny hijerena amin’ny antsipiriany ireo teboka heverina ho kely kanefa manan-danja ao anatin’ny fanomanana ny fanadinana.
Mpiofana misehatra amin’ny drafi-panabeazana miisa 115, avy amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena foibe, ny Dren ary ny Cisco niatrika ny fiofanana “Programme d’appui à la planification de l’éducation et au système d’information” (Papesi) no notolorana mari-pankasitrahana, ny faran’ny herinandro teo. Tanjona amin’ny fiofanana ny hametrahana drafitra sy paikady ho fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana eto Madagasikara.

Partager sur: