Nitokana fotodrafitrasa maromaro tao amin’ny Oniversiten’i Toamasina ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny Pr Chaminah Loulla, ho fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana eny amin’ny Anjerimanontolo, ny faran’ny herinandro teo. Nisy ihany koa ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ireo boky 800 baoritra, azo avy amin’ny fiaraha-miasa amin’ny Oniversiten’i Toamasina sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Anisan’izany ny Oniversiten’i Rouen, ny Livres sans frontières. Ao koa ny fanamafisam-piaraha-miasa eo amin’ny faritra Atsinanana sy ny région Normandie. Nojerena koa ny « rampes» natokana ho an’ireo olona manana fahasembanana, napetraka eny amin’ireo sampam-pianarana samihafa, mitotaly 70 metatra.
Tao amin’ny Institut Confucius, natolotra ireo mpianatra ny kianja filalaovana basikety, ny dobo haingon’ny toeram-pianarana, ny toerana famakiam-boky sy fialamboly. Entina manohana hatrany ny fampianarana teny sy ny kolontsaina sinoa ny fotodrafitrasa. Nanotrona ny lanonana ny filohan’ny Oniversiten’i Toamasina, ny Pr Razanakolona Diny, sy ny tale roa an’ny Institut Confucius, ny Dr Ravelomanana Fidelys sy ny Dr Wang Linzhe.
Vonjy