Baolina kitra –« U15 Océan Indien » : Nomontsanin’ny Barea ny ekipan’i Seychelles

Notontosaina, omaly, teny amin’ny kianja Elgeco Plus by-pass, ny andro voalohany amin’ny fifaninanana aty amin’ny ranomasimbe Indianina, sokajy zandriny U15, lahy sy vavy.

Nisongadina tanteraka ny ekipa nasionaly malagasy, lehilahy sy vehivavy, samy nanamontsana ny ekipam-pirenen’i Seychelles, tamin’ny isa 7 no ho 0 avokoa. Nanaovan’izy ireo fampisehoana ny fihaonana. Po­rofon’izany ny nahatafidiran’i Ravaka, vehivavy malagasy baolina dimy tamin’iny fihaonana omaly iny. Araka ny hita teny an-kianja, manantombo amin’ny tanjaka sy fahaiza-miaraka ny Malagasy. An­koatra izay, rahampitso, eny By-pass ihany, hiakatra kianja indray ny Barea. Ny solontenan’i Comores, lahy sy vavy, no hifandona amin’izy ireo, mandritra izany. Marihina fa ho tonga eto Madagasikara anio amin’ny 5 ora hariva ny mpilalao kaomorianina, ka hahemotra ny fihaonan’i Co­mores sy i Seychelles. Araka ny vaovao voaray teny an-toerana ihany, hatao anio eny amin’ny Elgeco Plus ihany koa ny fifandonana miverina eo amin’i Seychelles sy i Ma­dagasikara.

F.R

Partager sur: