SOMBIM-BAOVAO

Mitohy hatrany ny fahombiazana ho an’ny klioban’ny Fosa Juniors FC Boeny. Resin’izy ireo, 2 no ho 1, ny TFFC Boeny, ny alahady lasa teo, tany Mahajanga. Tsiahivina fa ity no fifanandrinana miverina ho an’ny roa tonta, amin’ity fifanintsanam-pirenena”Pureplay Football League (PFL)”. Mety hisy moa ny fanovana ny rafi-pifanintsanana amin’ny PFL.
Efa tafaverina ny sabotsy teo, teny Ivato, ny delegasiona malagasy izay niatrika ny Cosafa, vehivavy, U17. Raraka teo amin’ny manasa-dalana ny Barea zandriny, ary i Zambia irery ihany no nandresy azy ireo tamin’ity fifanintsanana ity. Tsiahivina fa i Madagasikara no nahazo ny laharana voalohany tao amin’ny vondrona “B” nisy azy, izay nahitana an’i Namibie, Malawi ary i Afrika Atsimo, mpampiantrano.
Hatao ny 20 desambra izao ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja Judo, ho an’ny sokajy Vétérans, izay hotontosaina eny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano. Hotohizana avy hatrany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, ho an’ny sokajy Minimes, Cadets, Juniors ary Seniors izany, ny 21 sy 22 desambra izao.
Horaisin’ny filoham-pirenena eny Iavoloha avokoa, anio, ireo atleta malagasy rehetra nahazo medaly nandritra ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany sy tompondakan’i Afrika, tamin’ny taranja maro. Anisan’izany ny taranja Tsipy kanetibe, Judo, Jiu-jitsu, Tenisy, Basikety, sy ny maro hafa, araka ny fampitam-baovao.

Partager sur: