Governoran’ny faritra Analamanga : Ho avo 2 heny ny asa amin’io taona 2025 io

Nanazava ny governoran’ny faritra Analamanga, Ra­soa­maromaka Hery, fa hatao avo roa heny ny asa amin’io taona 2025 io. Betsaka ny ambim-bolan’ny faritra Ana­lamanga tsy nampiasaina tamin’ity taona ity ka hahafahana mampitombo ny asa miandry.

Hanomboka ny volana janoary io ny asa hatao ary tsy hitsahatra mihitsy izany mandritra ny taona.

Zava-dehibe ny resaka fambolena sy fiompiana satria rehefa manan-kohanina ny olona dia hazoto hiasa. Ham­piana ny tantsaha amin’ny masomboly sy ny zezika, ha­hafahany mamokatra.
Hitohy ny fanaovan-dalana ary hatao manara-penitra izany. Toy izany koa ny fanaovana lavadrano arifomba any ambanivohitra. Ankoatra ireo ny fametrahan’ny faritra ny angovo azo avy amin’ny masoandro amina toerana maro hamatsiana herinaratra.

“Tsy tokony hatoritory mihitsy ireo rehetra nahazo fitondrana fa hiasa amin’ireo toerana iadidiany hanaporofoana fa tena miasa ny fanjakana”, hoy ny governora Rasoamaromaka Hery.

Manahirana ny fanatanterahana ny asa rehefa misy fifidianana. Heverin’ny olona fa ho fampielezan-kevitra avokoa izay asa atao rehetra. Na izany aza, nisy ihany ny asa vita toy ny pavé sy ny lalana maro, na lalan-tany fa tsy nahafa-po ny mpiara-miasa ao amin’ny faritra izany.

Tatiana A

Partager sur: