Efa mipetraka avokoa ny fandaminana rehetra momba ny hetsika ho an’ny tanora eto Afrika, izay hatao eto Madagasikara, ny taona 2025.
Nambaran’ny minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena (MJS), Marson Moustapha Abdulah, omaly, teny amin’ny Novotel Ivandry, fa efa vonona tanteraka i Madagasikara amin’ny fampiantranoana ny fivoriambe faratampony ho an’ireo tanora aty Afrika, “Youth Connekt Afrika 2025”. Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina ny faran’ny volana oktobra na novambra 2025 eto Antananarivo ity hetsika ho an’ny tanora ity. “Koa manentana ireo tanora rehetra any amin’ny faritra ny tenako, mba hiakatra eto an-dRenivohitra, fa maro ny zavatra tsy hampoizina hita mandritra ity fihaonana lehibe ity. Hampiavaka ny fihaonana aty Madagasikara ny hikarakarana ny fihaonana ara-panatanjahantena sy ny dihy, ” hoy ny minisitra, Marson Moustapha Abdulah. Nohazavain’ity lehibe ny MJS eto Madagasikara ity ihany fa zava-dehibe ny hetsika, ka miantso ireo mpiara-miombon’antoka ihany koa izy. Anisan’izany ny fampiratiana ny vokatra malagasy rehetra, sy fampisehoana ny kolontsaina eto an-toerana. Nomarihany hatrany fa efa nanome toky ny avy ao amin’ny firenena mikambana, ny amin’ny fanohana ara-bola ity « Youth Connekt 2025 » ity. Mitentina 4 hetsy dolara izany, hoy hatrany ny minisitrin’ny MJS. Tsara ny mampahafantatra fa miisa 37 ireo firenena mikambana amin’ny Youth Connekt Afrika. Tanjona amin’izany ny hampivoatra ireo tanora afrikanina, izay ao anatin’ny vina hapetrakin’ny Filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry, ka nahavoafidy azy ho filoha mpitarika manana fijery tsara indrindra eto Afrika. Tsiahivina fa sambany teo amin’ny tantara no nisy firenena, avy amin’ny Frankofonina, nampiantrano ny «Youth Connekt Afrika».
Fitia Randria