Miaina hatrany ny rap gasy. Manohy ny mpandimby, fa mbola eo hatrany ireo namaky ny lalana, mampiaina ny « old school ». Izay indrindra ny tanjon’ny hetsika « Okay noho ny omaly », izay hotontosaina ny 28 desambra izao, manomboka amin’ny 12 ora atoandro, eny amin’ny CCI Ivato. « Famelomana sy fanomezana sehatra indray ny rap gasy izay somary nangingina tao ho ao ity. Hiara-dalana satria mifameno amin’izay ny fampirantiana ny hakanton’ireo fiara tranainy, sy ny fanamafisam-peo raitra anaty fiara », hoy ny nambaran-dRanjalahy Vonjy Andriatsiory, tompon’andraikitry ny seraseran’ny Okay Live, izay mpikarakara ny hetsika, omaly, tetsy amin’ny La Teinturerie Ampasanimalo.
Anarana tsy hay kosehina eo amin’ny tantaran’ny rap gasy avokoa, satria samy nanamarika izay fiandohan’ny hetsika “hip hop” teto Madagasikara ireo nantsoina handray anjara. Anisian’ireny ry Ben J, Doublenn, Psykopasy, Buddah El Tag, Diojay Takodah sy NGah Be ary i Big Jim Da. « Tafiditra tsara anatin’ny zavakanto mila hasandratra ny rap gasy, satria mitaiza sy mikolo ny saina. Betsaka no mihevitra hoe hirana jiolahimboto, kanefa tsy marina izany. Misy hafatra mitaiza ao anatiny », hoy hatrany ny mpikarakara.
Efa hetsika faharoa ity « Okay noho ny omaly » ity . Kelikely ny toerana tamin’ny voalohany, ka nandrisika ny Okay Live hanao ny manaraka. Rap sy fiara tranainy, misy ifaindraisany indrindra ny lafiny fanamafisam-peo, raha tsy hitadidy afa-tsy ireo rakitsarina mpanakanto mpanao rap amerikanina nalaza tamin’ny 20 sy 30 taona lasa.
Zo ny Aina