Tontosa omaly, tetsy Ankorondrano, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Bras de fer. Taranja iray tafiditra ao anatin’ireo taranja zandriny kanefa efa manana haavo teknika ambony eto Madagasikara.
Mbola mitohy hatrany ny fampiofanana sy fizarana traikefa omen’ny manam-pahaizana vahiny, ho an’ny taranja Escrime. Tsiahivina fa efa nisy ity fiofanana ity ny volana septambra sy oktobra lasa teo, izay natao tamin’ ny ligy telo, Analamanga, Itasy, Vakinankaratra.
Hanomboka rahampitso zoma 20 desambra any Manakara ny fifaninanana “Challenge du Sud Est”, taranja karaté ary haharitra hatramin’ny alahady izao. Fifaninanana hamaranana ny taona 2024 ity, ho an’ny taranja karaté. Hotanterahina ny 27,28 ary 29 desambra izao, any Vakinankaratra, ny fifaninanana rezionaly hiarahan’ny ligin’Analamanga sy Vakinankaratra, eo amin’ny taranja basikety. Ity ihany koa no fifaninanana farany ho an’ny basikety Analamanga, amin’ity taona ity.