Fibatana fonjamby-Mada 2024: Atleta mendrika indrindra i Rosina sy i Tojo

Nifarana, omaly, teny amin’ny kianja mitafon’Ankoron­drano, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja fibatana fonjamby, ho an’ny taom-pikatrohana 2024. Nizo­tra araka ny tokony ho izy ny fifaninanana, araka ny nambaran’ny filohan’ny federasiona, Andriamanarivo Harinelina. Manodidina ny 100 ny mpifaninana izay nahitana solontena avokoa ny ligy rehetra. Teo amin’ny vokatra kosa, mbola tsy lefy laza ireo kalaza eo amin’ity taranja ity, toa an’ Andriatsitohaina Tojo sy Randafiarison Rosina, izay voahosotra ho atleta mendrika indrindra, tamin’ity fifaninanam-pirenena 2024 ity. Voa­hosotra ho “Meilleur Cham­pion” tamin’ny sokajy rehetra kosa Andriatsitohain Eric. Na izany aza, maro ireo mpifaninana vao nisandratra nandray anjara.

Mi.Raz

Ireo tompondaka : Juniors sy Seniors ary Challengers Junior Homme
-67Kg:RAKOTONIRINA Said Amahd Landry Junior Homme -73kg: RAJAOMARIA Tojo Faneva JUNIOR HOMME -81kg:RANDRIANASOLO Tolotra Eddy Junior Dame
-55KG:RAKOTONOELY Manoa Senior Dame -49Kg:RANDAFIARISON Rosina Senior Dame -55Kg:RANARIVONY Miarintsoa Noella Senior Dame
-71Kg:RANDRIANANDRASANA Sitraka Senior Dame -81Kg:HASINTSARA Pierre Senior Dame -87Kg:MIADANTSOA Raima Vaniah Senior Homme -73Kg: Andriatsitohaina Tojo Senior Homme -80KG: Cadeau Senior Homme 100kg: Sergio Challengers -55kg Homme: Andrianaivo -67kg Homme: Andrianjatovo Tiavina -61kg Homme: Rakotovao Martial -81kg: Solonandrasana Sitraka.

Partager sur: