Vono olona mahatsiravina miharo fandrobana ! Maty teo no ho eo ny raim-pianakaviana iray
notafihan’ny jiolahy enina nitam-piadiana tao Antarata, fokontany Antongo, distrikan’Ivohibe
ny 1 desambra teo.
Nahazo antso avy amin’ ny solontenan’ny andrimasom-pokonolona ny zandary fa nitrangana asan-jiolahy tao Antarata, ny alin’ny faran’ny taona teo. Nidina nijery ny zava-misy tao an-toerana ny manam-pahefana.
Efa fatin-dehilahy iray mitsirara tamin’ny tany sy nihosin-dra no hita tao. Miisa enina ireo nahavanon-doza, araka ny nambaran’ny mpiray vodirindrina tamin’ilay namoy ny ainy. Niditra an-keriny tao amin’ilay raim-pianakaviana ireo jiolahy ka nitady ny vola sy zava-tsarobidy. Nentin’ny hatairana, tsy afa-nandositra ny tompon-trano. Notifirin’ireo tsy mataho-tody avy hatrany io lehilahy io vantany vao saika hanohitra ka naratra mafy ny tendany sy ny tratrany havia.
Vilany iray
Tsy nahita na inona na inona norobaina ireo enin-dahy. Nakorontan’ireto farany, araka izany, ny trano. Vilany tokana no lasan’izy ireo. Vaky nandositra izy enina taorian’io. Tsy nisy sahy nivoaka ny manodidina noho ny tahotry ny poa-basy. An-dalam-pikarohana ireo nahavanon-doza ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana. Natolotra ny fianakaviany taorian’ny fizahan’ny mpitsabo, niaraka tamin’ireo tomponandraikitra ao an-toerana, ny vatana mangatsiakan’ilay namoy ny ainy.
Tsiferana Randriatiana