Tatitry ny polisy : 164 ireo olona voasambotra

Nahatratra 164 ireo olona voasambotra. Halatra miaro herisetra miaraka amin’ny fampiasana fitaovam-piadiana toy ny basy iray. Miisa enina ny herisetra mampiasa fitaovam-piadiana antsy. Miisa 10 ny tranga na halatra miaro vaky trano. Asa fanendahana miisa 11. Halatra tsotra miisa 17. Halatra moto iray. Fivarotana sy fidorohana zava-mahadomelina miisa efatra. Nahatratra 92 ireo olona nosavaina nampiahiahy. Niisa 21 ireo mamo ankalamanjana. Niisa telo kosa ireo nikasa hangalatra. Razana tsy fantam-piaviana hitan’ny polisy.
Mahatratra 20 ny lozam-pifamoivoizana nandritra io fotoana io. Naharatrana olona niisa 17 sy nahafatesan’olona iray izany ary nahasimbana fananana olona niisa telo.

Fampitahana ny tranga rehetra tao anatin’ny taona 2022 sy 2021. Nahatratra 138 ireo omby very nandritry ny taona 2022 sy 2021. Niisa 268 ny vono olona tamin’ny taona 2021. Niisa 266 ireo tranga halatra mitam-piadiana ny taona 2021. Raha toa ka 236 tamin’ny taona 2022. Miisa 440 ny trangana herisetra mampiasa fitaovam-piadiana toy ny antsy ny taona 2021. Raha 181 ny taona 2022. Nahatratra 4331 ny halatra vaky trano ny taona 2021. Nihena 1462 izany ny taona 2022. Nahatratra 32 ny jiolahy matin’ny ppolisy nandritry ny fifandonana ny taona 2021 raha 37 izany ny 2022. Niisa 599 ireo jiolahy voasambotra ny taona 2021 raha 1277 ny taona 2022. Nahatratra 143 ny fitaovam-piadiana tratry ny polisy ny taona 2021. Raha toa ka 43 ny taona 2022. Nahatratra 1344, 5 kilao ny cannabis, 10 g ny cocaine, 109 g ny heroine voasarona ny taona 2021. Nahatratra 448.506 kilao ny cannabis, 88.6 g ny cocaine, 129;62 g ny heroine, 4.4 g ny metamphetamine.

Mino ( Mpianatra Asa)

Partager sur: