«Pureplay Football League» : miankina amin’ny FMF ny tohiny

Notontosaina teny Mahamasina, omaly, ny fivoriambe nasionaly nokarakarain’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Nitondra ny hevitra mahakasika ny tohin’ny fifaninanam-pirenena “Pureplay Football League (PFL)” ny filohan’ny fikambanan’ny klioba elita eto Madagasikara, CFEM, Rakotoarimanana Henintsoa na i Tôta. Nilaza ny tenany fa nisy ny fangatahana natao any amin’ny Federasiona malagasy (FMF), ka miankina amin’izy ireo ny tohin’izany. “Mangataka ny federasiona izahay hanohana ara-bola, 15 tapitrisa Ariary, isaky ny klioba mifaninana mandritra ity fifaninanam-pirenena ity”, hoy ny lehiben’ny PFL. Nohazavainy nandritra io fivoriana io fa hiova vondrona iray ny fifanintsanana, ka hisy ny fihaonana mandroso sy miverina. Miatrika ny dingan’ny manasa-dalana kosa izay efatra voalohany, ary hatao fifanandrinana mandroso sy miverina hatrany izany. Andrasana amin’ny federasiona, araka izany, ny mety hisian’ny fanovana amin’ity fifanintsanana PFL ity. Tsiahivina fa anisan’ny olana mipetraka tamin’ny PFL 2024 ny tsy faneken’ireo klioba efatra hifaninana noho ny fiovan’ny Kaonferansy ho lasa telo.

F.R

Partager sur: