Hatramin’izao, efa ao anatin’ny taom-pifidianana, mitaky hatrany ny tokony hanovana ny firafitra na ny mpikamban’ny rafitra mpikarakara sy mpikirakira fifidianana ny mpanohitra sasany. Mbola azo tanterahina sy mety ho vita ve izany? Nefa takiana koa ny tsy hanalavana ny fe-potoam-piasan’ny mpitondra am-perinasa. Tsy vitan’izany, hanaiky sy hanao izany ve ireo rafitra voalaza, indrindra ny mpitondra. Eo hatrany ny hoe tsy tokony hisy fikitikitihana ny lalàna sy ny rafitra mpikarakara na mpikirakira fifidianana intsony herintaona mialoha ny fanatanterahana ny latsa-bato.
Eo aloha ny raharaha
amin’izao: tsy mampitovy fijery, ifanenjanana sy ifanenjehana aza. Hanao ahoana? Ampoizina tsy hiverin-dalana amin’ny fiatrehana ny fanatanterahana ny fifidianana ny fitondram-panjakana ankapobeny, matoa tsy nirona tamin’ny fitakian’ny mpanohitra izy hatramin’izay; eny, na eo mandrakariva aza ny karazana famendrofendroana ny mety hisian’ny korontana politika mialoha na mandritra na aorian’ny fifidianana. Hanao ahoana izany rehetra izany, mandra-pahatanteraka ny fifidianana? Ilaina na takiana ny fitoniana, miainga eo amin’ny tsirairay.
Mila jerena izay tena olana fototra
Tena olana fototra amin’ ny firosoana amin’ny fanatanterahana ny fifidianana tokoa ve ireo rafitra mpikarakara sy mpikirakira fifidianana sy ny mpikambana ao aminy? Etsy andaniny, tena tsy azo ihodivirana ve ny tokony hanaovana fikaonandoham-pirenena mialoha ny fifidianana? Miara-dalana amin’izany ny tokony hisian’ny fampihavanam-pirenena, araka ny fitakin’ny sasany. Nefa tsy ekena koa ny fanalavana ny fe-potoam-piasan’ny mpitondra am-perinasa amin’izany. Fitondrana tetezamita izany no kendren’ny sasany? Eny, na tenenin-dava aza ny hoe tsy mila fiaraha-mitantana.
Izany fifanoheran-kevitra tsy hita be ihany mifangaro kajikajy sy paipaika politika izany no mahatonga ny tsy fifampitokisana? Na tsy mety hisian’ny fifanatonana sy fifampidinihana mazava amin’izay hatao hatramin’izay… Tsy mety ifankahazoana ny resaka. Koa hisy àry ve ny hanao fampielezan-kevitra amin’ny fifidianana ho avy eo fa ankoatra ny asa fampandrosoana sy fanatsarana ny fiainam-bahoaka, hanova lalàmpanorenana, ohatra, na hanitsy ny firafitry ny HCC sy ny Ceni, rehefa tonga eo amin’ny fitondrana raha tena mijery lavitra?
R. Nd.