Analalava – Lisitry ny mpifidy : toy ny zava-poana ny ezaka

“Kamo manatona ny kaominina tsirairay ny lehiben’ny distrika. Izay no mahatonga ny hoe tsy tomombana ny asany. Lasa ny sasany voasoratra amin’ny lisitry ny mpifidy, ny sasany tsy voasoratra. Toy ny hoe zava-poana ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana”, hoy ny depiote voafidy any Analalava, i Djaosera Irénée.

Mialoha ny fisoratana anarana amin’ny lisitry ny mpifidy ny fanomezana kopia sy karapanondro. Nefa izay fanomezana kopia sy karapanondro faobe izay no voa aloha. Lasa ny antsasany mahery amin’ny olona tokony ho ao anatin’ny lisitry ny mpifidy no tsy manana karapanondro, noho izay tsy fahazotoan’ny lehiben’ny distrika mitety ny kaominina tsirairay avy izay.

Tsy nahazo ny tambin-karama ireo sefo fokontany, ka malaina miasa. Ny eki­pan’ny distrika any an-toerana: marobe ny toerana tsy andehanan-dry zareo. Avon­drona amin’ny kaominina iray ny kaominina telo na efatra nefa mifanalavitra be dia lasa olana amin’ny distrikan’Ana­la­lava izay.

“Nitety kaominina tsirairay izahay tamin’ny nanao izany tamin’ny taona 2021”, hoy izy. Nefa mbola maro no tsy tonga tamin’izany, satria mifanalavitra amin’ny renivohitry ny kaominina ny fokontany sasany. Izay no mahatonga an-dry zareo mangataka kaominina vaovao. Lazaina fa tsy vaindohan-draharaha iza­ny. Nefa hita izao fa ny fampanatonana ny fanjakana amin’ny any ifotony no tena fampandrosoana. Misy mandeha 80 Km mankany amin’ny renivohitry ny kaominina. Aho­ana no ahazoana mampandroso amin’ izany?

R. Nd.

Partager sur: