Nampahafantarina omaly, teny Antanimena, ny fitsanganan’ny ivontoeram-pikarohana momba ny lalàna (CRJ). Anisan’ny hisitraka voalohany ny vokatry ny asam-pikarohana ny mpianatra lalàna.
Nomarihina omaly, teny Antanimena, ny fitsanganan’ny Centre de recherche juridique (CRJ) de Madagascar. Ivontoerana hanao fikarohana momba ny lalàna. Tsy miankina amin’ny Oniversite na toeram-pampianarana fa mahaleo tena tanteraka ary niforona toy ny fikambanana rehetra. Tsy ireo mpampianatra mpikaroka fotsiny no mpikambana ao anatiny fa asaina hirotsaka avokoa ireo mpisehatra amin’ny lalàna, toy ny mpisolovava, notaire, mpitsara, araka ny fanazavan’ny mpampianatra momba ny lalàna eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ny profesora Randriamarotia Harijaona. Nanangana ny ivontoeram-pikarohana ireo mpampianatra mpikaroka, mpisolovava, mpitsara.
Asa voalohany nosahanin’ny ivontoerana, omaly, ny adihevitra mahakasika lohahevitra iray momba ny lalàna. Niarahana tamin’ireo solontenan’ny firenena afrikanina mikambana ao amin’ny Ohada (Organisation pour l’harmonisation en Afrique du droit des affaires). Hanao asa fikarohana sy fandalinana amin’ny lalàna amin’ny ankapobeny ny ivontoerana ary manana rafitra iray hisahana manokana ny lalàna Ohada. Andraikitry ny CRJ ny fanomanana fifanakalozan-kevitra, famoahana boky miaraka amin’ny mpikaroka sy ny fikarakarana atrikasa manodidina ny lalàna amin’ny ankapobeny. Miara-miasa amin’ny rafitra Ohada ny CRJ satria misy ny fifandraisana amin’ny Cours commune de justice et d’arbitrage any Abidjan sy ny Ecole régionale supérieure de la magistrature de l’Ohada. Io rafitra manokana io no nampiavaka azy aty amin’ny ranomasimbe Indianina.
Misahana ny lalàna mihatra amin’ny fandraharahana ara-toekarena izay tsy azo sarahana amin’ny fampandrosoana ny Ohada. Rehefa tafiditra ho mpikambana i Madagasikara dia harindra hifanaraka amin’ny lalàna eto amintsika ny lalàna Ohada.
Hisitraka mivantana ny tombontsoa amin’ny asan’ny ivontoerana ny mpianatra lalàna satria hahazo ny voka-pikarohana mivoaka izy ireo.
Ao anatin’ny telo volana voalohany amin’ny taona 2015 no hipetraka ny rafitra rehetra eo anivon’ny CRJ. Hisy ny ivontoerana fanovozan-kevitra miaraka amin’ny boky samihafa. Manana andraikitra hanao fampitam-baovao koa izy ireo.
Vonjy