Razanamahasoa Christine : miantso fitoniana eto amin’ny firenena

Nirary soa sy fahombiazana ombam-pahasalamana ho an’ny vahoaka Malagasy ny filohan’ny Antenimierampi­re­nena, Razanamahasoa Chris­tine. Nosinganiny manokana koa ireo solombavambahoaka namany rehetra sy ireo mpiara-miasa rehetra eny amin’ny lapan’i Tsimbazaza. “Mba ho taona zina anjakan’ny filaminana, fitoniana, fifankatiavana anie ity taona vaovao ity ary ho eo ambany fitahian’ Andri­a­ma­nitra izany”, hoy ity lehiben’ny Andrimpanjakana, mpanao lalàna ity. Noha­ra­ra­otiny ny nanolotra fisaorana sy fankatelemana ireo rehetra nandefa tamin’izy mivady ireo firariantsoa marobe sy teny mamy amin’izao asaramanitra izao.
“Tsy ho voavalinay ireny fa ilay Andriamanitra manankarem-pahasoavana hamaly fitia anareo”, hoy izy.

Synèse R.

Partager sur: