INDRAY MIJERY

Ao anatin’ny hafanana tanteraka isika izao, fotoana mampirongatra ny moka. Matoria anaty lay misy odimoka isaky ny alina ary mandavantaona ho fiarovana amin’ny kaikitry ny moka mitondra tazo. Ho fikojakojana ny lay, sasao ao anaty koveta amin’ny savony vaingany rehefa maloto ny lay, atapy amin’ny maloka, zairo raha misy rovitra ary ataovy lavitry ny afo, sakafo, dobo, vokatry ny fambolena, renirano.
Manohy ny ezaka fampahafantarana momba ny famarinana olombelona ny BNLTEH ho an’ireo sampandraharaha isan-tsokajiny. Nisitraka izany ireo mpiasam-panjakana eo anivon’ny primatiora. Tanjona ny hanamafisana ny fiaraha-mientana sy ny fandraisana andraikitra manoloana ny famarinana olombelona.
Nifarana ny zoma teo ny roa volana faharoa ho an’ny taom-pianarana 2024-2025. Miditra amin’ny fialantsasatry ny Noely ny mpianatra. Any amin’ny 6 janoary any indray vao miverina an-dakilasy ny mpianatra miatrika ny roa volana fahatelo mampisasaka ny taom-pianarana sahady.

Partager sur: