Mpiasa avy amin’ny FBI roa tonga nihaona tamin’ireo polisy sy zandary teto Madagasikara. Mampiofana mahakasika ny heloka bevava iraisam-pirenena sy ny ady amin’ny famotsiam-bola izy ireo.
Tamin’ity herinandro ity, nihaona tamin’ireo mpiasa avy amin’ny FBI, Jeff Rees sy Leah Tanner, izay tonga eto Madagasikara, ny polisim-pirenena sy ny zandarimariam-pirenena ary ny Samifin. Niaraka tamin’izy ireo tamin’izany ny lehiben’ny sampandraharaha misahana ny filaminana ao amin’ny masoivoho amerikanina, Richard Hays, sy ny RSO lefitra, Larry Chun.
Tafiditra ao anatin’ny fiofanana isam-paritra sy ny ezaka hanamafisana ny fahaiza-manao sy ny fandrindrana ny fanadihadiana momba ny heloka bevava iraisam-pirenena sy ny ady amin’ny famotsiam-bola ary ny fanarahana ny fanenjehana ireo mpandika lalàna eto Madagasikara sy any Maorisy, Seychelles ary Kaomoro ny fihaonana.
Miara-miasa manolo tena amin’ny fanatsarana ny fiarovana eo anivon’ny faritra sy ny ady amin’ny famongorana ireo tambajotra mpanao heloka bevava sy kolikoly izy ireo.
Tetsy andaniny, nandinika niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka ireo paikady hiadiana amin’ny heloka bevava iraisam-pirenena (Toc) sy ny ady amin’ny famotsiam-bola (AML) ary ny kolikoly ireto tomponandraikitra avy amin’ny FBI ireto.
Iraka tafiditra ao anatin’ny fandaharanasa hiarahana amin’ny FBI, tohanan’ny Birao iraisam-pirenena misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina sy ny fampiharana ny lalàna ao amin’ny departemantam-panjakana amerikanina.
Tanjona ny hamongotra ireo tetika maro kononkononin’ny tambajotra mpanao heloka bevava iraisam-pirenena aty amin’ny faritra andrefan’ny ranomasimbe Indianina (WIO). Tafiditra ao anatin’izany ny zava-mahadomelina, ny fitaovam-piadiana, ary ny famarinana olona. Eo koa ny fanondranana zavamananaina, heloka bevava ara-tontolo iainana, ny heloka ana habaka (cybercriminalité) ary ny kolikoly.
Tatiana A