Holafitry ny fahasalamana: Manahy ny fikoron­tanan’ny rafitra

Namoaka fanambarana ireo Holafitry ny fahasalamana. Nahagaga azy ireo ny nanovan’ny minisiteran’ny Fahasalamana ny fomba fifidianana amin’ny alalan’ny lisitra ny filankevitra. Ny olona tsirairay no mirotsaka hofidina hatramin’izay mba hisian’ny hevitra samihafa, araka ny nambaran’izy ireo. “Filankevitra no mitondra fa tsy ny fitaleavana koa mangataka izahay ny hiaraha-midinika ny momba izany. Ny Holafitra no tandroka aron’ny vozon’ny mpitsabo rehetra ary tsy misy ahita tombontsoa amin’ny fikorontanan’ny rafitra”, hoy izy ireo. Mbola maro koa ireo olana tokony hiarahana mamaha. Eo ny fiondranan’ireo manampahaizana, milaravinahitra any ivelany ka maha banga ny rafi-pitsaboana, araka ny nambaran’izy ireo ihany. “Ny hevitry ny maro mahataka-davitra ary antoky ny fahombiazana ny fiaraha-miasa anaty firahalahiana”, hoy ny Holafitry ny fahasalamana.
Notsiahivin’izy ireo fa ny filankevitra nasionaly no mitondra ny holafitra tsirairay ary ny fifidianana ataon’ireo samy mpikambana no hanendrena ireo mpanolotsaina ao aminy. “Tsy izany anefa izao kendren’ny minisitera hatao izao “, hoy ny fanambarana.
Notsindrin’izy ireo fa fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana ny holafitra ary natao hisahana ny fanaraha-maso ny mpikambana ao aminy mba hanaraka ny soatoavina sy ny tandrohasin’ny asa. “Miantoka ny fahatomombanan’ny asam-pitsaboana ataon’ireo mpikambana ao aminy ny holafitra…”, hoy izy ireo.
Nanasonia izany ny avy amin’ny “Ordre des médecins”, ny farmasianina, ny veterinera, ny “Psychologues”…

Synèse R.

Partager sur: