Hotontosaina ny alahady ho avy izao, eny amin’ny Kianja Elgeco plus By-Pass, ny famaranana ny lalao fifanintsanana hiadiana ny amboaran’ny ranomasimbe Indianina, ho an’ny sokajy zandriny U15, lahy sy vavy. Efa azo lazaina fa tompondaka i Madagasikara, efa nahazo fandresena avokoa ny mpilalao, lehilahy sy vehivavy. Marihina fa tetikasa avy amin’ny Fifa ity fifanintsanana tontosaina eto Madagasikara ity.
Hotontosaina rahampitso, eny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny tohin’ny fifaninanana nasionaly, taranja rugby, sokajy vehivavy. Anisan’ny fifanandrinana tena andrasan’ny maro ny lalao hihaonan’ny RCTS Soavimasoandro sy ny ekipan’ny fahasalamana 3FB. Marihina fa eny amin’ny kianja ilany na “Annexe” no hanaovana ity lalao ity.
Mpisehatra eny anivon’ny federasiona isan-tsokajiny 20 mianadahy no manaraka ny “cours des dirigeants sportifs”, eny Ivandry, izay karakarain’ny komity olympika malagasy. Hifarana anio ny fiofanana ka hizarana ny mari-pankasitrahana ho an’ny mpiofana.
Miditra amin’ny dingana farany amin’ity faran’ny herinandro ity, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, sokajy Vétérans, taranja volley-ball. Fifaninanana tanterahina any Manakara, hoentina mamarana ny taom-pikatrohana 2024 ho an’ny Federasiona malagasin’ny volley-ball.