Natao teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, omaly, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy vétérans, taranja Judo. 24 ny mpikatroka nandray anjara izay nizara ho sokajy M1 hatramin’ny M7. Raha atao bango tokana ny valin’ny fifaninanana, tamin’ny alalan’ny Ippon avokoa ny ankamaroany nahazoan’ny mpikatroka ny fandresena. Anisan’ny tena nandrasana ny fiakarana tatami ho an’i Mamy Ndongoza, nahazo fandresena tao anatin’ny sengondra vitsy. Toy izany koa Rasoanaivo Luc, dadan’i Laura, nampiseho teknika miavaka ary i Vestalys, efa nandrombaka anaram-boninahitra tany ivelany, teo amin’ny sokajy Vétérans. Mbola nampiseho ny traikefany nanoloana ny mpifanandrina taminy ity farany ka nivoaka ho mpandresy tamin’ity fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara ity. Niara-dalana tamin’ity fifaninanana ho an’ny Vétérans ity ihany koa ny ho an’ny Kata, izay vita omaly ary efa fantatra avokoa ireo nandrombaka ny anaram-boninahitra. Hitohy anio ny fifaninanana ka hotanterahina amin’izany ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara eo amin’ny sokajy Minime, Cadet, Juniors, Seniors.
Mi.Raz
Ireo tompondaka (-81Kg) : Rasoanaivo Razafy Luc (ASM), (-66Kg) : Rasolondraibe Mamy Ndongoza (HAK), (-60Kg) : Vestalys H. (ESC), (+78kg) : Randrianarivao V. (WJM), (-100kg) :Ramparany M. (ASM), (-90kg) : Razafimpanja (ASM).