Tsara fiiditra ny Barea de Madagascar, eo amin’ny fifanintsanana hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ireo mpilalao tsy misy mpilaravinahitra «Chan 2025 », taranja baolina kitra. Resiny teo amin’ny lalao mandroso i Eswatini.
Fahombiazana ny vokatra azon’ny Barea de Madagascar teo amin’ny lalao mandroso, hiadiana ny tapakila hiatrehana ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina natokana ho an’ireo mpilalao tsy matihanina «Chan 2025». Resin’ny Malagasy, tamin’ny isa mazava 2 no ho 0, ny Sihlangu Semnikati an’i Eswatini, ny sabotsy lasa teo. Fihaonana, notanterahina tao amin’ny Kianja Lucas Masterpieces Moripe Stadium, Afrika Atsimo.
Baolina roa tafiditra teo amin’ny fizaram-potoana voalohany, matin’i Christiano, teo amin’ny minitra faha-20. Nampian’i Feno teo amin’ny minitra faha-22. Fitavozavozana sy tsy fahampiana fifantohana teo amin’ireo vodilaharan-dry zareo Eswantini no nohararaotin’ireo Malagasy lohalaharana namonoana ireo baolina roa ireo. Nampiasa ny fomba filalao 4-3-3 Rakotondrabe Romuald mpanazatra, tamin’ity. Vodilaharana i Dadafara sy i Tony ary i Claude, niampy an’i Nicolas. Nandrindra ny teo afovoan’ny kianja i Lalaina sy i Andy ary i Tiavina. Tany amin’ny fanafihana no nahitana an’i Gregasse sy i Feno ary i Christiano.
Hain’ny Malagasy mpilalao ny nameno ny kianja ka nanahirana an-dry zareo Eswatini. Na izany aza, nisy ihany ny fanafihana nataon’ny Sihlangu Semnikati saingy tsara ny fiarovantena malagasy ary mbola naneho ny fahaizany koa i Nina, mpiandry tsatoby.
Efa manao «Chan 2025 » ny tongotra ilany
Taorian’ity vokatra ity, efa manana tombona isa 2 ny Barea, handray ny lalao miverina ny alahady 29 desambra ho avy izao. Lalao hotontosaina ao amin’ny Kianja Côte d’Or, Maurice. Azo lazaina fa efa manao «Chan 2025» ny tongotra ilan’ny Barea de Madagascar. «Ekena fa efa tombony lehibe iny fandresena iny saingy tsy mbola vita ny lalao. Hiezaka ny tsy hidiram-baolina amin’ny lalao miverina. Tsy maintsy hitady fandresena ihany koa amin’io », hoy ny Coach Rôrô.
Tsiahivina fa izay tafavoaka mpandresy amin’ireto ekipa roa ireto no hiatrika ny “Chan 2025 », hatao any Ouganda sy Tanzanie, ny 1 ka hatramin’ny 28 febroary 2025.
Tompondaka