Sombim-baovao

Notontosaina ny alakamisy sy zoma teo, tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny fivoriambe nasionaly nokarakarain’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF). Nilaza ny lehibe an’ny FMF, Randriamanam­pisoa Alfred, fa hotolorana lelavola 3 hetsy Ariary, isaky ny telo volana avy ireo mpilalao fahiny mihoatra ny 60 taona, efa nandalo tao amin’ny ekipam-pirenena. Natao hankasitrahana ny zava-bitan’izy ireo izany.

Notanterahina omaly, teny amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, ny tohin’ny fifaninanana nasionaly, taranja rugby, sokajy vehivavy. Fifanandrinana tena nandrasan’ny maro ny lalao nihaonan’ny RCTS Soavimasoandro sy ny ekipan’ny fahasalamana 3FB. Nahadiso fanantenana ihany ity fifanandrinana ity, nataon’ny RCTS tsy nitoko ny klioban’ny fahasalamana.

Partager sur: