Mbola misongadina aty amin’ny ranomasimbe Indianina ny Malagasy, raha ny taranja baolina kitra no hifaninanana. Nahazo medaly volamena ny Barea de Madagascar, sokajy zandriny, lehilahy sy vehivavy.
Nifarana omaly, teny amin’ny Kianja Elgeco Plus By-pass, ny andro farany fiadiana ny ho tompondakan’ny ranomasimbe Indianina, taranja baolina kitra, sokajy zandriny U15, lahy sy vavy, “Festival Ocean Indien”. Nanjakan’ny ekipa nasionaly Barea tanteraka ny fifanintsanana. Porofon’izany ny nahitan’ireo Barea mianadahy fandresena efatra tamin’ireo lalao efatra natao. Tsara ny mampahatsiahy fa firenena telo ihany no nandray anjara tamin’ity andiany voalohany ity, ankoatra an’i Madagasikara, mpampiantrano, tao ihany koa i Comores sy i Seychelles. ” Hita fa manantombo hatrany ny Malagasy raha aty amin’ny ranomasimbe Indianina. Mbola betsaka ny lesoka na izany aza, anisany ny lafiny taktika, ary tokony hiakatra amin’ny sehatra ambony kokoa ny Barea U15, fa tsy mionona amin’ny eto amin’ny ranomasimbe Indianina ihany”, hoy ny tale teknika nasionalin’ny FMF, Rasoanaivo Rado. “Sarotra niainana ilay fifaninanana satria tery loatra ny fotoana nanomanana sy nanaovana ny fampivondronana. Tena tsara ireo ankizy, saingy mbola misy ny lesoka mandinika hojerena”, hoy ny mpanazatra Barea U15, lehilahy, Randrianarisoa Yvon.
Nilaza moa ny filohan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), Randriamanampisoa Alfred, fa tsy hijanona hatreo ny hetsika ho an’ireo zandriny. Raha tsy misy ny fiovana, hanao lalao fitsapana amin’ireo mpilalao voafantina tamin’ny TDS, ireo Barea U15 avy nanao fifaninanana ireto, ny 24 desambra ho avy izao, any Antsirabe.
Fitia Randria
Voka-dalao omaly teny By-pass :
Sokajy lehilahy :
Madagasikara 1 – 0 Comores
Sokajy vehivavy :
Madagasikara 3 – 1 Comores (Tsy vita hatramin’ny farany moa ny lalaon’ny vehivavy fa maro ireo mpilalao kaomorianina no tsy nety hiakatra kianja intsony rehefa nandeha ny fidirana faharoa. Raha ny fanazavana voaray, maro ireo kaomorianina naratra noho ny tsy fisian’ny fotoana hakana aina, tamin’ity fifaninanana ity.)