Notanterahina teny amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano, ny faran’ny herinandro teo, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, sokajy Vétérans sy ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, sokajy Minimes hatramin’ny Seniors, taranja Judo. Mpikatroka 257, avy amin’ny ligy 7, manerana ny Nosy no tonga nandray anjara. Nambaran’ny filohan’ny federasiona, Bruno Eric Said, fa nisy ireo ligy tsy nahatonga solontena tamin’ity. Raha ny vokatra, tsy mbola lefy laza ireo judokas avy amin’ny klioba eto Analamanga, toy ny Esca sy Saint Michel, tsy ambakan’izany koa anefa ireo avy any amin’ny faritra. Nohamafisin’ny filohan’ny federasiona fa ity fifaninanana ity no namaranana ny taona 2025 ho an’ny taranja Judo ary nisy ny jery todika nataony. Azo lazaina ho tsara, hoy izy, ny vokatra ho an’ny taranja Judo tamin’ity taona ity, indrindra ny eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Dojo nasionaly
Nanisy resaka mahakasika ny Dojo nasionaly ihany koa ny filohan’ny FMJ. Nambarany fa efa azo ny fitaovana hananganana ny Dojo saingy olana hatreto ny toerana hametrana ilay Dojo. Tsy nety indray mantsy, hoy izy, ilay tao ambany «gradin» saika hananganana ny dojo nasionaly ho an’ny taranja Judo, efa nampanantenain’ny minisitera aman-taonany izay.
Mi.Raz
Vokatra teo amin’ny Seniors
60Kg: RAKOTONANDRASANA Yacinthe Angelo (CSF)
66Kg: RALEVAZAHA Kevin Emilson (FJA)
73Kg: RAZAFIMPANJA Mandresy (ASM)
81Kg: RAVELOJAONA Rayan (ESC)
90Kg: RANAIVOARISOA Fetra (ESC)
+100Kg: TAFITA Michel (USC)
48Kg: RAZAFINDRAKALO Natacha Emiliame (FJA)
52Kg: SANTATRINIAINA Todisoa (ESC)
57Kg: BENANDRO Roumaica (ESC)
63Kg: RALALAHARISOA Malala (ESC)
70Kg: RAHARIMISE Melody Nanou (JAA)
78Kg: ANDRIAMBOLOLONA Zo (ASM)