Tontosa ny sabotsy lasa teo, teny amin’ny foiben’ny Komity olympika malagasy-Ivandry, ny fanolorana mari-pankasitrahana, ireo mpiofana nanaraka ny « cours des dirigeants sportifs », nokarakarain’ ny Kom. 17 mianadahy (11 lahy sy 6 vavy) no nisitraka izany fampiofanana izany, nanomboka ny fiandohan’iny herinandro iny ary nifarana ny sabotsy teo. Nampiavaka ity andiany ity ny hamaroan’ny federasiona nanolotra solontena nanatrika ny fiofanana. Federasiona 8 (Tolona, tenisy ambony latabatra, volley, basikety, surf, judo, teqball, atletisma) no nandray anjara. Nohamafisin’ny mpampiofana, Ramaroson Toavinirina, fa niavaka ny tamin’ity noho ireo taranja vaovao, toy ny surf, nandray anjara. Andrasana ny fampiharana ny norantovina any amin’ny sehatra misy azy avy, hoy hatrany ny mpampiofana. Araka ny nambaran’ny filohan’ny federasion’ny tolona, Ravelosona Mamitiana, nisolo tena ny teo anivon’ny Kom, ilaina ny mpitantana fanatanjahantena mahalala ny tokony hatao eto Madagasikara, izany indrindra no anton’ny fampiofanana toy izao. Misy lalàna mifehy ny fitantanana ny fanatanjahantena ary mila arahina izany, dia ilay « Charte Olympique » avy amin’ny CIO (Comité international olympique).
Tsiahivina fa efa maromaro ihany ny mpitantana fanatanjahantena nivoaka tamin’ny « cours des dirigeants sportifs ), efa nanomboka tamin’ny taona 2018. Mbola hitohy hatrany ny fampiofanana ary hiezaka hanatsara hatrany ny fampianarana ny mpampiofana. Manentana ihany koa ny mpikarakara ny fiofanana ny hanohizan’ny mpiofana ny fianarana amin’ny alalan’ny CAMS (Cours avancé en management du sport) hatrany amin’ny Memos.
Mi.Raz