Niara-nitotorebika sy nilanona ireo mpiasa rehetra eo anivon’ny vondrona Andriantsitohaina,
ny sabotsy teo. Fety nanehoana ny firaisankina sy ny fifankatiavana eo amin’ny rehetra izy io.
Nankalaza ny “Noelin’ny mpiasa” niaraka ireo mpiasa rehetra eo anivon’ny vondrona Andriantsitohaina, ny sabotsy lasa teo. Natao tetsy amin’ny Manoir Orimbato Antehiroka ny lanonana niarahan’ny rehetra. Nitarika ny fety tamin’izany ny tale jeneralin’ny orinasa, minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina sy ny zanany, Andriantsitohaina Lalaina. “Fety natao hanehoana firaisankina sy fifankatiavana eo amin’ny mpiasa sy ny mpampiasa ny anton’ny fihaonana”, hoy ny minisitra, nandritra ny kabariny. Nambarany fa natao hanaovana jery todika ny asa hatramin’izay mba hoentina manatsara ny fomba fiasa sy ny orinasa ihany koa. Tanjona ny hampiainana ny firaisankina sy ny fifankatiavana eo amin’ny mpiasa.
Niverina rehefa nisy fiatoana
Fety fanaon’ny orinasa ny fankalazana ny Noelin’ny mpiasa tahaka izao. Nosokafana tamin’ny vavaka fohy ny fihaonana. Nitohy tamin’ny fandraisam-pitenenana izany avy eo ary notohizana tamin’ny alalan’ny fandihizana. Nisy ny fiaraha-misakafo ihany koa, avy amin’ny orinasa.
Nahafaly ny ankamaroan’ny mpiasa ny fety natao satria nahafahan’ny rehetra niara-nitotorebika sy niara-paly. “Fotoana iray nahafahan’ny mpiasa samy mpiasa mifankafantatra ihany koa izy io”, hoy ireo mpiasa nanontaniana. Ankoatra izay, anisan’ny nandrasan’ny maro tamin’ny fihaonana sy ny fandraisam-pitenenan’ireo mpitantana ny hiresahana mahakasika ny fisondrotan-karama. “Tsy hijanona amin’ity taona ity ihany fa hatao isan-taona ny hetsika fankalazana tahaka izao”, hoy ny tomponandraikitra eo anivon’ny vondrona, Rabehaja Prisca. Hisy ny fihainoana ny hetahetan’ny mpiasa taorian’iny fihaonana iny, entina hanatsarana ny fomba fiasa sy ny orinasa, raha ny fanazavana voaray.
Mino