Fahasalamana: Notolorana boky ireo mpitsabo

Notoloran’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Pr Randriamanantany Zely Arivelo, boky ireo mpitsabo eny anivon’ny tobim-pahasalamana fototra hanampy azy ireo amin’ny fomba fiasa. Mirakitra ny torolalana mahakasika ny fandraisana an-tanana ny marary izany. Miendrika algorithme na ordinogramme izy ity. Miisa 3 000 ireo natonta. Tsy hisy CSB ho hadino na iray aza manerana ny Nosy fa samy hahazo izany boky torolalana izany avokoa.
Tafiditra ao anaty paikady iray, natao hampiakarana ny tahan’ny fahombiazan’ny fitsaboana ny fanatsarana natao. Eo koa ny fanafainganana ny fanomezana tolotra ara-pahasalamana tsara kalitao ho an’ny vahoaka.
Eny amin’ny tobim-pahasalamana fototra no tena andehanan’ny ankamaroan’ny olona voalohany mila fitsaboana. Akaiky ny vahoaka ny CSB ka rariny raha misitraka karazana toromarika sy fanatsarana ny fandraisana ireo marary.
Ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka manohy sy manatanteraka ny andraikiny ho fiantohana ny fahasalamana mendrika sy maharitra ho an’ny rehetra.

Tatiana A

Partager sur: