Fifamoivoizana : Nametraka lamina manokana ny ATT

Nanolotra lamina manokana ny Antokondraharaha misahana ny fifamoivoizana an-tanety (ATT), amin’ny fiatrehana izao ankatoky ny fetin’ny Noely sy ny faran’ny taona ary ny taom-baovao izao. Ho an’ ny eto Antananarivo sy ny ma­no­didina, hisokatra ny biraon’ny ATT Soarano, anio sy amin’ny sabotsy 28 desambra ary ny alarobia 01 janoary sy ny sabotsy 4 janoary 2025 amin’ny 08 ora maraina hatramin’ny 12 ora atoandro.
Ankoatra ny ATT Soarano dia hisy birao ahafahafana mikarakara “Autorisation Spé­ciale” ao amin’ny stationnement Fasany karana, zotra re­zionaly, ny alatsinainy 23 de­sambra sy 30 desambra tontolo andro ary ny talata 24 desambra sy 31 desambra amin’ny 08 ora maraina hatramin’ny 12 ora atoandro.
Maro ireo misafidy ny handeha hiala sasatra na hamonjy ny toerana niaviana rehefa fety toa izao. Raha handeha ho any ambanivohitra na any amorontsiraka na hiakatra an-tanàn-dehibe ka handeha taxi-borosy, tokony hatao dieny izao ny famandrihan-toerana mandroso sy miverina hampilamina ny fandaharam-potoana. Ialana amin’ny mety tsy ahitana fiara hitondra rehefa miverina.
Raha hitondra fiara manokana, ataovy ara-dalàna dieny izao ny lafiny teknika sy ny antontan-taratasy rehetra. Raha hanofa kosa, mpampanofa fiara matihanina sy efa za-dalana alaina.

Tatiana A

Partager sur: