Tanàna soa Academy : Hamolavola ankizy ho mpanao baolina matihanina

Anisan’ny ivontoerana ha­molavolana ankizy ho lasa mpilalao baolina kitra matihanina, ny Tanàna Soa Aca­demy. Nanomboka ny zoma lasa teo ary nifarana omaly alatsinainy, kilongalahy kely 10 sy 11 tao­na, miisa 32 avy amin’ny lafivalon’ny Nosy no voatsonga ha­naovana ny fitiliana farany ka ho beazina ao. Nambaran-dRakotomalala Mamie, filohan’ny Tanàna Soa Academy, tamin’ny mpanao gazety, teny Ambohimanga Rova, ny alahady lasa teo, fa nisy ireo nalaina avy any Mahajanga, Antsira­nana, Toamasina, Mahasolo sy Miarinarivo sy ny hafa.
Efa tamin’ny fiandohan’ny taona no nanaovana ny fitsirihana. Masontsivana nifantenana ireo ankizy ny fahaizany baolina ary ny hakingany eny ambony kianja.
Hiantohan’ny Tanàna Soa Academy 100 % ireo ankizy voafantina izay tsy mbola voafaritra ny ho isany. Ao anatin’izany ny fianarany, ny fitsaboana ary ny fikolokoloana ny maha olona. Hifanarahana tsara amin’ny ray aman-drenin’ireo ankizy voafantina izany. Tanjona ny hampakatra ny lentan’ny Malagasy mpilalao baolina kitra ho lasa matihanina rehefa tonga eo amin’ny faha-17 sy faha-18 taonany. Mbola mitohy ny fitiliana ho an’ireo ankizy maniry ho tafiditra ao. Hisokatra amin’ny fomba ofisialy any amin’ny faran’ny volana febroary 2025 ny Tanàna Soa Academy. Ankoatra ny mpanabe sy mpanazatra, misy mpitsabo sy mpikarakara sakafo koa ao amin’ny ivontoerana.

Tompondaka

Partager sur: