“Challenge du Sud Est” : Nisongadina Amoron’i Mania sy i Matsiatra Ambony

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Manakara, ny fifaninanana “Challenge du Sud Est”, taranja karaté. Nahomby ny hetsika, nahafahana nampivondrona ireo karateka tany amin’ny ligy Atsimo, nanomboka teo Amoron’i Mania hatrany Fitovinany. « Ligy 3 no niara-nisalahy nikarakara ny fifaninanana ka tena nahavelombolo tokoa », araka ny nambaran’ny filohan’ny federasiona, Ratefinanahary Emile, nanatrika tany an-toerana. Teo amin’ny vokatra kosa, hita ho nahazo vahana ireo mpikatroka avy amin’ny ligy efa tranainy toa an’Amoron’i Mania sy i Matsiatra Ambony, nampiseho haavo teknika ambony. Hita taratra fa manana ny maha izy azy ny mpikatroka avy any Atsimo. Tsiahivina, mpikatroka 63 no tonga nifaninana tamin’ity hetsika ity, nanomboka tamin’ny sokajy Poussins hatramin’ny Vétérans. Mpitsara 13 sy mpanazatra 11 nanao fiofanana ary 42 ireo staff teknika niofana. Ankoatra izay, nahazo grady tepana mainty, 7e dan, ny Sensei Flavien, anisan’ny “pionnier” tany an-toerana. Nihazo avy hatrany an’i Vakinankaratra ny FKM taorian’izay ka niatrika ny “Coupe de Noel” tany an-toerana.

Mi.Raz

Partager sur: