SOMBIM-BAOVAO

Nanainga ny sabotsy teo, teny Ivato, hihazo ny nosy rahavavy Seychelles, i Elisco, Malagasy mpilalao baolina kitra. Araka ny fikarohana natao, hifindra ao amin’ny klioban’ny Light Star ny tenany. Tsiahivina fa efa nandalo klioba maro teto an-toerana ny lehilahy, anisan’izany ny Elgeco Plus, ny Jet Kintana sy ny Five FC ary ny Toulon Academy.

Nifarana ny alahady lasa teo, teny amin’ny Kianjan’ny Makis Andohatapenaka, ny andron’ny fifanintsanana hahazoana ny tapakilan’ny dingana manaraka amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, XXL Top 12. Ankoatra ny FTM sy ny Cosfa, hifandona amin’izay hiakatra hanao manasa-dalana ny TFA, ny TFMA sy ny Uscar ary ny Tam.

Nahazo ny laharana voalohany i Madagasikara teo amin’ny taranja Échecs. Fifaninanana nandritra ny lalao “2è rencontre internationale jeunes de l’Océan Indien de jeu d’échecs”, natao tany La Réunion, ny faran’ny herinandro teo. I Maorisy, La Réunion ary i Madagasikara no nandray anjara tamin’izany.

Hotanterahina anio, ny fivoriana ara-teknika ho an’ny fifaninanana “Agnambahy mifety” , taranja basikety. Fifaninanana tanterahina any Farafangana manomboka ny 26 hatramin’ny 29 desambra izao, karakarain’i Minaoharisoa Christiane, ekipa nasionaly.

Partager sur: